Namoaka filazana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) ny 10 janoary teo, fa afaka mankalaza ny Androm-pirenena ho an’ny kabary ny fikambanana tsirairay. Ho an’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima), nosafidiny ny alatsinainy 15 janoary ho avy izao, etsy amin’ny Tranomboky monisipaly Analalakely, akaikin’ny fiangonana Katedraly. Manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva ny fotoana. Teny faneva nosafidina ny hoe : « Kabary haren-tsaina mampiray, iombonan’izao tontolo izao, miako maneran-tany », « ny Fimpima, miroso hatrany, miaro ny ilo mby an-doha ».
Hisy fampirantiana sy seho samihafa. Eo koa ny famelabelarana « Zara fahalalana ho aroriaka amin’ny kabary malagasy », hataon’ny Renala Fimpima. Manohana ny hetsika ny Unesco sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Faha-60 taona
Tsiahivina fa mankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny Fimpima. Efa vita ny fampitana ny fanilon’ny faha-60 taona manerana an’i Madagasikara sy any ivelany. Miisa fito ny faritany eto an-toerana, 8 ny any ivelany, ahitana sampana 85 sy toeram-pianarana 259. Nentina nanandratana ny teny malagasy, takalo dinika amorom-patana, nanatevenan’ny mpikambana fahalalana.
Miisa 2 505 ny mpiofana kabary eto Madagasikara sy tany amin’ireo firenena 16 hafa any ivelany. Mbola mitohy izany fankalazana ny taon-jobily izany. Teo koa ny fiaraha-miasany amin’ny sehatra samihafa (CNPC, ONE, ONTM, Fiangonana, kaominina, oniversite, akademia, Unesco, sns).
Njaka A.