Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By Pass, ny lalao famaranana, fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Hiady ny amboara lehibe sy ny lelavola 20 tapitrisa Ar amin’izany ny US Pro Analamanga sy ny Disciples FC.
Tsiahivina fa ny ekipan’ny Disciples FC nanilika ny Ajesaia, tamin’ny isa 5 no ho 2, nandritra ny lalao manasa-dalana, natao ny alahady lasa teo, teny an-toerana ihany. Ny klioban’ny US Pro, nandresy ny Elgeco Plus 4 no ho 3. Araka izany, hafana tanteraka ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Marihina fa ekipa roa tsy mbola nisy nandresy nandritra ity fifanintsanana ity ireo klioba roa hanao famaranana ireo.
Raha ny fanazavana nataon’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa, hotolorana fanomezana izay mpilalao mendrika sy mpampiditra baolina betsaka indrindra nandritra ny fifanintsanana.
Mialoha ity famaranana lehibe ity, hisy ny lalao ara-pirahalahiana izay hihaonan’ ny mpanao gazety zokiny sy ny mpitantana ny baolina kitra eto Madagasikara. Amin’ny taom-pilalaovana manaraka, nanambara ny lehiben’ny ligin’Analamanga fa hoezahina haharitra kokoa ny fifaninanana, araka ny fangatahana nataon’ireo klioba mpandray anjara. Tsara ny mampahafantatra fa natao hanomanana ny fifaninanana nasionaly “PFL”, izay hanomboka ny 4 febroary ho avy izao, ny GTA.
Fitia Randria