INDRAY MIJERY

Fandaminana anatin’ny minisitera no antony namoahana ny naoty avy amin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ireo hetsika ara-pahasalamana manatona vahoaka, araka izany, no voararan’ny hetsika fivorivoriana. Tsy voakasik’izany kosa ny fanaovana fety sy fivoriam-pianakaviana.
Nidina teny amin’ny EPP Ambodifiakarana Isotry, EPP Ampefiloha cité, EPP Anatihazo Isotry ny CUA nanentana ny tsy hiparitahan’ny areti-maso, omaly. Nisy ny fandrarahana fanafody mba hisorohana ny firongatry ny aretina. Hitohy amin’ireo EPP 95 hiadiadin’ny kaominina. Ny toeram-pitsaboana sahanin’ny CUA rehetra koa dia afaka mandray ireo olona hita fa manana soritraretina.
Foana manomboka izao, ny fiatoan’ny taxi-be eo alohan’ny hotely Carlton Anosy. Noraisina izany noho ny fandaminana amin’ny fanaovana ny fotodrafitrasa fitaterana an-tariby. Eny amin’ny Fiaro Ampefiloha na eo amin’ny Cnaps ny fiantsonana manaraka fa tsy azo handraisana na analana olona intsony eo Anosy.

Partager sur: