Judo 2024 : hanjaka ny fifaninanana iraisam-pirenena

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny judo, amin’ity taom-pikatrohana 2024 ity, indrindra ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maromaro ny fifaninanana iraisam-pirenena hatrehina. Hisantarana izany ny “Tournoi international de Maurice”, eo amin’ny sokajy Minimes, Cadets ary Seniors. Fifaninanana hotanterahina ny 20 sy 21 janoary izao. Aorian’izay, hisy ny “Open international Saint Denis de la Réunion”, hatao ny 2 febroary. Fanda­haram-potoana anisan’ny andrasana ihany koa ny lalao afrikanina hatao any Ghana, ny volana marsa ho avy izao, manana anjara amin’izany ny judo. Ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika kosa no hanohizana ny fifaninanana iraisam-pirenena, izay saika hisy avokoa ny sokajy rehetra amin’ity taona ity. Zava-dehibe indrindra ny lalao Olympika hatao any Paris, ny 27 jolay hatramin’ny 2 aogositra, ary ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, Cadets ary Seniors. Hatao ny 27 sy 28 kosa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ary hamaranana ny taona, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara.

Mi.Raz

Partager sur: