Kitra – Can 2024: hanohitra an’i Côte d’Ivoire i Guinée Bissau

Hanamarika ity anio ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Hanokatra izany i Côte d’Ivoire sy i Guinée Bissau. Hangotraka ny fihaonan’ny roa tonta.

Hifantoka atsy Côte d’Ivoire avokoa ny ma­son’izao tontolo izao. Hanomboka amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny Stade Ado Ebimpé ao Abidjan, Côte d’Ivoire, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2024). Hisantatra izany ny sokajy “A”. Hifanandrinan’i Côte d’Ivoire sy i Guinée Bissau. Heverin’ny rehetra fa hanantombo ry zareo Ele­fanta, noho izy ireo hilalao eo an-jaridainany sy manoloana ireo mpijeriny. Na izany aza, vonona hanohitra azy ireo ny gineanina amin’ity fihaonana ity. Na ekipa heverina ho “outsider” amin’ity Can ity aza ny ekipan’i Guinée Bissau, manana ny ho lazainy ihany koa.

Tapa-kevitra tanteraka
Tapa-kevitra ny handresy ny Elefanta ry zareo amin’ity. Marina fa ambony ny Ivoari­anina na eo amin’ny filaharana eo amin’ny Fifa na ny traikefan’ireo mpilalaony izay saika milalao any Eoropa sy ao anatin’ireo ekipa goavana ny ankamaroany.
Tsiahivina fa hiady lohany amin’ity ireo ekipa 24. Efa tonga any an-toerana avokoa izy ireo ary samy miandry ny fotoana hiakarany kianja. Marihina fa nakarin’ny kaonfederasiona afrikanina (CAF) ho 40% tamin’ity ny vola fankasitrahana homena ireo mpandray anjara amin’ity “Can 2024” ity. Hahazo 6,4 tapitrisa euros ny voalohany, raha 3,65 tapitrisa euros ny faharoa. Samy hotolorana 2,28 tapitrisa euros avokoa ireo ekipa efatra tonga eo amin’ny manasa-dalana. 1,18 tapitrisa euros kosa ireo miatrika ny ampahefa-dalana.
Hitohy rahampitso alahady ny fihaonana ka lalao telo no voalahatra amin’izay. Anisan’ izany ny lalaon’i Nigéria sy Guinée Equatoriale; i Egype sy Mozambique ary i Ghana sy Cap Vert

Tompondaka

Partager sur: