Naratra ireo mpiambina…: fiarabe mpitondra vola nivadika tao Vohipeno

Nivadika tampoka teny am-pandehanana ny fiarabe mpitondra vola, an’ny orinasa Brink’s, afakomaly, tao Vohi­peno. Avy any Vangaindrano handeha hihazo an’i Mana­kara ity fiarabe ity no tra-doza tampoka. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka nivoaka ny lalana ilay fiarabe. Naratra avokoa ireo mpi­ambina tao anatiny niaraka tamin’ny mpamily, raha ny tatitra nampitain’ny depiote voafidy tao Vohipeno, Tsabotokay Honoré. Tonga teny an-toerana nifanome tanana tamin’ny famonjena ireo niharam-boina ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny fokonolona. Na teo aza anefa izany, tsy nisy very ireo vola sy ny basy teny amin’ireo mpiambina tao anaty fiara.
Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny fokontany Ambohima­havelona Ambila, Manakara, afakomaly. Fiara 4×4 iray avy any Manakara no nifaoka ilay niharam-boina. Nanapa-dalana tampoka ity olona ity ka niala izany ny mpamily saingy tsy afaka intsony. Vokany, voadona ilay mpandeha an-tongotra. Niala ny lalana ary nivadibadika tany anaty hantsana ilay fiara tsy mifidy lalana. Nitsilany teo an-tanimbary ny fiara. Raim-pianakavina iray maty tsy tra-drano. Naratra ireo olona telo tao anaty fiara. Nentina haingana any amin’ny hopitaly ireo naratra. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary.

J.C

Partager sur: