Nandresy, tamin’ny isa 3 no ho 0, an’i Zimbabwe i Madagasikara, nandritra ny fifaninanana «ITF/CAT Africa», taranja tenisy, sokajy «junior» U16, lehilahy. Mipetraka laharana voalohany izy ireo, raha toa ka mandresy an’i Afrika Atsimo. Ho an’ny vehivavy U14, mila mandresy an’i Eswatini izy ireo raha tiany ny hanao manasa-dalana.
Nifindra klioba ao amin’ny AS Excelsior, la Réunion i Pascal Razaka na i Bapasy, Malagasy vodilaharana, taranja baolina kitra. Marihina fa i Bapasy dia nilalao tao amin’ny JS Saint Pierroise teo aloha. Vodilaharana anisan’ny nitondra avo ny ekipam-pirenena Barea, nandritra ny Can 2019, tany Egypte, i Bapasy.
Hotanterahina rahampitso, ao amin’ny kianjan’ ny Al-Awwal Arabia Saodita, ny famaranana ny “Super Coupe d’Espagne”. Hiady ny amboara lehibe amin’izany ny ekipan’ny FC Barcelone sy ny Real Madrid. Marihina fa mbola manala vela amin’ny Barcelone ny Real Madrid, amin’ity Super Coupe ity. Efa lavon’ny Barça tamin’ny isa 3 no ho 1 izy ireo, ny taona 2023.
Niverina ao amin’ny klioban’ny Dortmund FC, alemà, indray i Jadon Sancho, anglisy mpilalao baolina kitra. Raha ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tserasera omaly. Nindramin’ny Dortmund ity mpilalaon’ny Manchester United Anglisy ity. Tao amin’ny Dortmund nefa no tena nahalalana an’i Sancho.