Tra-tehaky ny polisim-pirenena tao Andohanilakaka ny dimy lahy nivarotra voamaso, afakomaly.
“Amidin’ireo olon-dratsy 100 tapitrisa hatramin’ny 120 tapitrisa Ar ny voasamaso, araka ny fanadihadiana natao azy”, hoy ny fanazavan’ny Talem-paritry ny polisim-pirenena Ihosy, omaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa misy olona mitady mpividy voamaso tao amin’ny tanànan’Analamahavelona, kaominina Besakoa, distrikan’i Sakaraha, ny herinandro lasa teo. Nanao vela-pandrika avy hatrany ny polisy ka nasain’izy ireo niakatra tao Andohanilakaka ireo mpivarotra voamaso. “Telo lahy ireo avy any amin’io toerana atao hoe Analamahavelona io ary mpiray tendro roa lahy avy ao Andohanilakaka”, hoy ny polisy. Tratra teny amin’izy dimy lahy ireo ny voamaso miisa roa niampy zava-maranitra. Anaty fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana ao an-toerana amin’izao fotoana ka andrasana ny tohin’ny raharaha.
“Ampiasain’ny mpanao vato”
Ahin’ny mpitandro filaminana ao an-toerana ho mampirongatra io tranga halatra voamaso io ny fisian’ny kariera maro. “Manao fombafomba sy sorona ireo mpitrandraka vato sarobidy”, hoy hatrany ny polisy. Tafaroboka amin’ny fangalarana voamaso sy miafara amin’ny famonoana olona, araka izany, ireo tia vola. Mandray an-tanàna ny fanadihadiana ny sampandraharahan’ny polisy misahana ny fitsarana. Ho fantatra tsy ho ela, noho izany, ny mpiray tsikombakomba amin’ireo dimy lahy efa voasambotra atao famotorana ao Ihosy.
Tsiferana R