Voatendry handrafitra ny governemanta tarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, sy hitantana ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Efa nitana ny toeran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny ny tenany, tamin’ny taona 2019 mialoha ny naha ben’ny Tanànan’Antananarivo renivohitra azy.
Filoha mpitantana ny vondrona Andriantsitohaina ihany koa izy. Ankoatra izay, mpandraharaha sy efa nitana ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) sy ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) Andriantsitohaina Naina ka izao niverina ho minisitra izao indray.
Samy nanao fianianana avokoa ireo minisitra 27 taorian’ny fanendrena azy, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Handray ny andraikiny avy hatrany izy ireo aorian’ny famindram-pahefana. Marihina fa nisy ny sivana sy ny fitsapana maro natao tamin’ireo CV maherin’ny 400 voarain’ny tomponandraikitra izany.
Henintsoa H.