Atletisma – Cross country : ho any Chili i Jean-Claude

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny bout de piste Ivato, ny hazakazaka cross country, nifantenana izay hi­solo tena an’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024. Nandrombaka ny fandresena Rakotonirina Jean-claude, atle­ta avy amin’ny Crown Vakinankaratra, rehefa nahatontosa ny hazakazaka tao anatin’ny fe-potoana, 33 mn 09 s 3%. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, tanterahina any Belgrade Serbie, ny 11 sy 12 febroary ho avy izao. Raha ny fizotry ny hazakazaka, nifanaraka tao anaty “peloton” hatrany ry zalahy saingy tany amin’ny fihodinana fahadimy vao afaka nitsoaka i Jean-Claude ka nibata ny fandresena. Fa­haroa, nanaraka azy Ra­tsio­risoa Alain avy amin’ny CAMI Vakinankaratra hatrany. 33 mn 51 s ary fahatelo, Havelo­ma Fidèle, avy amin’ny Cosfa, nahatontosa ny hazakazany, 34 mn 27 s 07%.
Nahatratra 23 ny isan’ny mpifaninana tamin’ity, avy amin’ny ligim-paritra miisa 3, Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy.

Tompondaka

Partager sur: