Ho fampiroboroboana ny taranja basikety 3×3 eto Madagasikara, nasiana mpandrindra tsirairay ny ligim-paritra manerana ny Nosy miisa 21, amin’ity taranja ity. Andraikitra maro ny miandry ireo tomponandraikitra voatendry ireto, taorian’ny fiofanana izay noratoviny. Tsiahivina fa niatrika fiofanana nampitain-davitra izy 21 mianadahy voatendry ireo, tamin’ilay tetikasa “Se la rue vers…l’or”. Mbola hisy ny tohin’ny fiofanana andiany fahatelo hatao ho famaranana ny tetikasa. Araka ny fantatra, lalao hahazoan’ny ekipa mpandresy eo amin’ny sokajy U23, ny tapakila hiatrehana ny “camp” eto Antananarivo ity tetikasa “De la rue vers… l’or” ity. “Camp” izay hatao ny 16 hatramin’ny 18 febroary izao. Miandry ireto mpandrindra ireto ny manara-maso ny asa ao amin’ny ligy misy azy, mikarakara hetsika sy manentana ny rehetra handray anjara, mampirisika ny fampiasana fitaovana manaraka ny fenitra apetraky ny FIBA amin’ny fikarakarana fifaninanana. Eo ihany koa ny fampidirana ny basikety 3×3 eo anivon’ny sekoly eny anivon’ny ligy misy azy avy.
Ireto avy ireo ligy 21 nahazo mpandrindra: Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Analamanga, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra, Atsinanana, Diana, Ihorombe, Fitovinany, Itasy, Sava, Bongolava, Sofia, Menabe, Anosy, Androy, Boeny, Analanjirofo ary Betsiboka.
Mi.Raz