Haingana kokoa ny fiakaran’ny voka-bary azo avy amin’ny teknika P-dipping entin’ny Papriz, natao tao Betsimitatatra, raha oharina amin’ny teknika nentim-paharazana. Mitombo ny vokatra, mihena, manaraka izay koa, ny fahasimban’ny vary vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Miompana amin’ny fampiasana zezika TSP, izay akora fototra entina hanatsarana ny voka-bary any amin’ny tany manta sy tsy ampy zezika ary hanafainganana ny fitombon’ny voka-bary mba tsy hahatraran’ny voly ny vanim-potoanan’ny hatsiaka. Nitsirika ny voka-bary azo tamin’ny fampitahana, tamin’ny alalan’ny fampiasana ny teknika nentim-paharazana, ny teknika P-dipping ary ny teknika Papriz natao Betsimitatatra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny herinandro teo. Naseho ireo tantsaha teknisianina, nandritra io fotoana io, ny vokatra sy ny tombony amin’ny fampiharana ny teknika mba hampiharana izany. Indrindra hizarany ny teknika amin’ireo namany mba hahazoana voka-bary tsara.
Henintsoa Hani