« Grand Tournoi d’Antananarivo »: norombahin’ny Disciples FC ny lelavola 20 tapitrisa Ar

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”. Nalain’ny Disciples FC Vakinankaratra ny volabe.

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By Pass, ny lalao famaranana, fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Azon’ny Disciples FC Vakinankaratra « PFL », ny lelavola 20 tapitrisa Ar, rehefa voahosotra ho tompondakan’ny GTA izy ireo. Lavon’izy ireo, tamin’ny fandakana « tirs au but », 5 no ho 3 ny US Pro Analamanga, raha toa ka ady sahala 1 no ho 1 ny isa nisarahan’ny roa tonta tamin’ny fotoana ara-dalàna.

Raha hiverenana ny lalao, nifandanja tanteraka ny roa tonta nandritra ny fe-potoana 90 minitra. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, i Ezra, mpilalaon’ny US Pro no nahatafiditra baolina voalohany, ny minitra faha-30 nilalaovana. Io isa 1 no ho 0 io no nentin’ ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, nahasahala ny isa i Ludovic, lohalaharan’ny Disciples FC, minitra faha-46. Taorian’io tsy nisy nahita masonarato avokoa ireo mpifanandrina ka ady sahala 1 no ho 1, ny isa nentina nankany amin’ny “tirs au but”.
Ankoatra izay, voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny fifanintsanana GTA, i Tsounanah, mpilalao US Pro ary i Mamisoa no nahazo ny mpanazatra mendrika indrindra. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Disciples FC, tsy mbola resy mihitsy nandritra ny lalao rehetra nataony tamin’ity GTA ity.

Lavon’ny mpitantana baolina kitra ny mpanao gazety

Mialoha ity famaranana lehibe ity, nisy ny lalao ara-pirahalahiana izay nihaonan’ ny mpanao gazety zokiny sy ny mpitantana ny baolina kitra eto Madagasikara. Resin’ny mpitantana baolina kitra eto an-toerana tamin’ny isa 2 no ho 1 ny mpanao gazety ara-panatanjahantena. Azo lazaina fa nifandanja ihany ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, saingy maro ireo baolina tsy tafiditry ny mpanao gazety teo amin’ny fizaram-potoana faharoa.
Tsara ny mampahafantatra fa natao hanomanana ny fifaninanana nasionaly “PFL”, izay hanomboka ny 4 febroary ho avy izao, ny GTA.

Fitia Randria

Partager sur: