Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can), taranja baolina kitra, tanterahina any Côte d’Ivoire. Andriatianarivelo Dimbiniaina no Malagasy iray nosafidin’ny Caf ho anisan’ireo mpitsara, mandritra ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa hifarana ny 11 febroary ho avy izao ny “Can 2023”.
Taorian’izay dimy volana tsy niakarana teny ambony kianja izay, niverina nilalao indray i Kevin De Bruyne, mpilalaon’ny Manchester City, omaly. Nahavita tolotra iray sy nahatafiditra baolina iray moa ity mpilalao ity, tamin’izany. Tsara marihina fa tany amin’ny minitra faha-70 izy no niditra nandritra ny fihaonan’ny Manchester City sy ny Newcastle. Nandresy tamin’ny isa 3 no ho 2 izy ireo.
André Ayew, Ganeanina mpilalao baolina kitra no nandray anjara tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika betsaka indrindra. Araka ny fikarohana natao omaly, imbalo amin’ity izao i André Ayew no nilalao tamin’ny CAN, niaraka tamin’i Ghana. Tsiahivina fa ankoatra azy, efa nilalao imbalo ihany koa i Rigobert Song, kameroney sy Ahmed Hassan, Egypsianina.