Sehatra lehibe roa no iasan’ny fikambanana « Tanora mbola hobeazina » na ny Tamboho Be. Ny Tontolon’ny kolontsaina sy ny sosialy. Nosalorana ireo endrika roa ireo ny lanonana nentina nankalazana ny faha-20 taona niorenan’ ity fikambanana ity.
Nofaranana ny sabotsy 13 janoary teo ny hetsika fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny fikambanana « Tanora mbola hobeazina » na ny Tamboho Be. Tamin’ny ankapobeny, nisongadina nandritra ity lanonam-pamaranana ity ny fanehoana ireo sehatrasa sahanin’ny Tamboho Be. Anisan’izany ny tontolon’ny kolontsaina. Ny Tamboho Be rahateo no hany fikambanana manohana sy manampy ny sôva eto Antananarivo. Tarika sy mpanao sôva maro mivondrona ao anatin’ny sôvan’Analamanga, rahateo, no nanatanteraka ny fanafanana ity lanonam-pamaranana ny faha-20 taona notanterahina teny amin’ny “Crustacés dorés Ambohimanambola” sy Andraisoro ity. Anisan’ireny ny Tsiazompaniry, ny Tanjombato Misôva, ny Tara-pahazavana Andraisoro, mpanao vakisaovan’i Behoririka… Tarika Ravelo Jean Baptiste, ny Capoiera de Madagascar, Lez amis, Velon’Androy, José Satoub, ny Up the rap,
Hotohizana ny ezaka efa natao… Hisy ny Festival Vakisaova
Ho an’ity taona 2024 ity, hanohy ny ezaka efa nataony hatramin’izay ny fikambanana Tamboho Be. Anisan’izany ny hirosoana amin’ny fanatanterahana ny « Festival Vakisova »… Satria misehatra amin’ny sosialy ny fikambanana, noho izany, ny tarika tsirairay handray anjara amin’io lanonana lehibe io, samy hamorona hira iray momba ny ady amin’ny herisetra. “Tsy ny fikasian-tanana ihany akory no atao hoe herisetra fa misy ihany koa avy amin’ny teny, fihetsika, ny fitondran-tena… “, hoy Randrianarivelo Hasina, filohan’ny fikambanana.
Nisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana, nozaraina ho an’ireo mponina sahirana tao Andraisoro (foiben’ny fikambanana), ho an’ireo mpanao sôva, ny mpikambana sy ireo mpiara-miasa amin’ny fikambanana. Nitohy tamin’ny fizarana kilalao ho an’ny zanaky ny mpikambanana sy ny mpanao sôva.
HaRy Razafindrakoto