TSELATRA

Raim-pianakaviana 45 taona maty voatsatotsatok’antsy tao amin’ny kaominina Ambodivoara, distrikan’i Sambava, ny sabotsy 13 janoary teo. Matetika manan-draharaha eny amin’ny fitsarana nateraky ny ady tany ity namoy ny ainy ity sy ilay olona nahavanon-doza. Niafara tamin’ny fifamonoana io olana io.

Ankizy 13 taona nalain’ny mpaka an-keriny ka natakalo lelavola 1 200 000 Ar, tao Agnalamatsivala, distrikan’i Mahabo, afakomaly hariva. Tsy nisy nisaron-tava ireo mpaka an-keriny nifampiraharaha tamin’ny fianakavian’ilay ankizy lasibatra. Nampitandrina ny fianakavian’io ankizy io ireo jiolahy tsy hampilaza ny mpitandro filaminana.

Raim-pianakaviana nitondra moto nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra-Ivato, afakomaly. Naratra mafy izy ka nentina nihazo ny hopitaly. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara nandona azy.

Telo lahy mpanakan-dalana voasambotra tao Toliara, ny 12 janoary teo. Zandary roa lahy no voasakan’ireto olon-dratsy ka noraisim-potsiny izy ireo. Efa mpanao io asa ratsy io izy telo mirahalahy ireto.

Partager sur: