Tontosa teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny sabotsy sy alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, taranja badminton. Niaka-tsehatra tamin’izany ny sokajy «junior», lahy sy vavy. Nanjakan’ny klioba SCI Itaosy ny fihaonana. Lasan’izy ireo avokoa ny anaram-boninahitra miisa 4 tamin’ireo sokajy 9 niadiana. Anisan’izany, ny teo amin’ny sokajy U9 izay samy azony avokoa. Teo amin’ny tovolahy, voahosotra ho tompondaka i Mirija Marc ary Randriamananjara Valisoa ho an’ny tovovavy. Teo koa ny U11 lehilahy, norombahin’i Riantsoa Marc ary ny U13 lehilahy, azon’i Nomenjanahary Stanis. Nofehezin’ny St Joseph Mahamasina ny U11 vehivavy, tamin’ny alalan’ Andriamaherizo Metih sy ny U13 vehivavy, norombahin’ Andriamaherizo Miahy. Nifampizarana kosa ny sokajy hafa. Lasan-dRakotoharinivo Vaillant avy any Vakinankaratra ny U15 lehilahy raha i Onjafitiavana Vetsoniaina, avy amin’ny VTTK Ivato ny ho tompondaka teo amin’ny U17 vehivavy ary Razakasoavina Irina, MB2 All ny nahazo ny teo amin’ny U17 lehilahy.
Ligim-paritra roa ihany no niatrika ity fifaninanana ity, dia Analamanga sy Vakinankaratra.
Niakatra ny lentan’ny fifaninanana, tamin’ity na teo aza ny tsy fahampian’ny fihaonana ho an’ireo mpikatroka.
Dingana manaraka, ny an’ny «sénior» lahy sy vavy », hatao ny 20 sy 21 janoary ho avy izao, etsy amin’ny kianja ANS Ampefiloha.
Torcelin