Niarahaba noho ny taona vaovao ny filoha teo aloha Ravalomanana ny RMDM, tetsy Ampandrana, ny sabotsy teo. Nivoitra tamin’izany fa teo hatrany izy ireo tamin’ny Vondron’ny kandidà (C11). “Tsy vitan’ny antoko iray ny fanavotana ny firenena fa ilaina ny fiaraha-mientana. Antoky ny fandresena sy ny fahombiazana izany”, hoy izy ireo .
Mbola tena lavitr’ezaka ilay fampandrosoana marina andrasan’ny vahoaka, araka ny nambaran’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, omaly, tao amin’ny tambajotra “Facebook”. “Tsy handroso isika raha mifanitsaka andraikitra na koa hanampatra fahefana”, hoy izy.
Nanao fanangonan-kevitra ny Antenimieran’ ny ray aman-dreny foko (ARFM), ho an’ny any Fianarantsoa, ny herinandro teo. Nidina ifotony amin’ireo distrika 5 any an-toerana izy ireo ary nitovy hevitra fa tsy mety amintsika izao fomba fitantanana ny firenena izao.
Vinavinaina ho vita amin’ny avrily izao ny trano ho an’ny prefektiora sy ny faritra vaovao Ambatosoa, araka ny nambaran’ny loholona, i Besoa Erick. Nanomboka ny desambra teo ny fanorenana izany ao Maroantsetra, renivohitry ny faritra Ambatosoa.