Niakatra ny vidin’ny entona fandrehitra eto an-drenivohitra raha toa ka nahitana fidinany izany enim-bolana lasa.
Nahitana fiakarana efa herinandro vitsy izay ny vidin’ny entona fandrehitra eto Antananarivo sy ny manodidina. Raha ny marika Vitogaz manokana, niakatra ho 26 900Ar ny tavoahangy 4 kg raha toa ka 26 400 Ar izany nanomboka ny volana jolay 2023. Lasa 61 800Ar ny tavoahangy milanja 9 kg raha toa ka 60 800Ar izany teo aloha. Niakatra ho 85 200 Ar kosa ny tavaohangy 12 kg, ankehitriny.
Raha atao ny fampitahana dia manodidina ny 500 Ar ka hatramin’ny 1 000 Ar isaky ny tavoahangy ny taham-piakarana. Antony manazava izany ny fiakaran’ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny volana septambra teo, manodidina ny 94 dolara ny barika amin’ny Petrole Brent, raha toa ka 92 dolara izany ny volana oktobra.
Tafiditra ao anatin’izany ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady izay miantraika betsaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Telo volana rahateo vao mihatra eny an-tsena, eto an-toerana, ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manampy izany ny fitotongan’ny sandan’ny Ariary.
Fanjifana
“Na izany aza tsy manova ny fanjifana ny entona fandrehitra ny vidiny vaovao”, hoy ny fanazavan’ny mpivarotra iray etsy Antanimena. Nilaza izy fa mitombo ny mpanjifa ny “gaz” ka voatery manampy tahiry indroa isaky ny herinandro izy ireo. Ireo entona fandrehitra 9 kg rahateo no be mpanjifa, hoy hatrany ny fanazavany. Mihabetsaka ny mampiasa ny entona fandrehitra, noho izy mitsitsy kokoa raha oharina amin’ny saribao izay tsy mitsaha-miakatra. Ankehitriny, manomboka milatsaka ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, heverina, araka izany, ny hidinan’ny vidin’ny entona fandrehitra eto amintsika afaka volana vitsy. Tsiahivina fa ny volana jolay teo no nahitana fidinany farany ny vidin’ny entona fandrehitra.