JIU-JITSU BRESILIEN: ho avy eto i Vicente Cavalcanti

Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana, amin’ity taom-pikatrohana 2024 ity. Anisan’ny hisongadina sy hanombohana izany ny fahatongavan’ilay teratany Breziliana, i Vicente Cavalcanti, eto Madagasikara, ny 29 sy 30 janoary izao. Hisy ny fanazarantena homen’ity mpikatroka Breziliana manana ny maha izy azy ity ho an’ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-Jitsu. Misokatra ho an’ny atleta rehetra ity fanazarantena hiarahan’ ny klioban’ny Southside Brazilian Jiu-Jitsu Madagascar sy ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana mikarakara ity. Ankoatra izay, fifaninanana matihanina 3 no kasain’ny FMJJB hatao amin’ity taona ity. Zava-dehibe indrindra ny fikasan’i Madagasikara, handray ny AJP Tour, ny volana mey 2024. Fifaninanana iraisam-pirenena 2 kosa no ao anatin’ny tetiandro, dia ny “Abu Dhabi No-gi Professionnal Championship”, ny volana jona, sy ny “Abu Dhabi Gi Professionnal Championship”, ny volana novambra 2024. Fifaninanana 5 kosa no kasaina hatao, ho an’ny eto an-toerana.

Mi.Raz

Partager sur: