Kabary: harem-pirenena mampandroso ary lovain-jafy

“Izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany”, hoy ny Fimpima. Azo itarafana ny maha izy ny firenena iray kabary.

Notontosaina, omaly, teny amin’ny Tranom­boky monisipaly Anala­kely, ny hetsika fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, nokarakarain’ny Fi­kam­banan’ny mpikabary ma­lagasy (Fi.mpi.ma). Niatrika izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ity fikambanana ity. Anisan’izany Andriamboavonjy Hanitriniai­na, filohan’ny Fimpima maneran-tany. Teny an-toerana koa Ravelomanantsoa Elia, tomponandraikitra eo anivon’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra. Haren-tsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona ny kabary. Fampirantiana sy seho ara-javakanto ary velakevitra no nanamarihana izany. Nisy ny fanolorana boky, avy amin’ny Fimpima, ho an’ ny Tranomboky monisipaly Analakely.
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny Fimpima, ny teny amin’ny Tranomboky Ana­lakely, omaly tontolo an­dro, nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena. Nandra­va­hana ny hetsika ny fampirantiana kabary sy ny manodidina azy, ny tantara an-tsehatra, nahitana ny tantaran’ny Fimpima, nandritra ny 60 taona nisiany sy ny nampivelarana azy maneran-tany. Ankoatra izay, nisy ny velakevitra sy zara fahalalana, niarahana tamin-dRanjatohery He­ri­lala. Tanjona tamin’izany ny fitandroana sy fitazonana ny maha izy ity haren-tsaina ity.
Mahavelombolo ny mahita ny firoboroboana sy fivelaran’ny kabary ankehitriny. Taratra izany amin’ny fahitana ny fampianarana kabary eny anivon’ ny sekoly sy eny anivon’ny fiangonana. Misy anefa ny mitady hivaona ka lasa manova ny kabary.
Eo ihany koa ny zava-misy izay mety hahavery izany haren-tsaina izany, izay antoky ny fampandrosoana ny taranaka ankehitriny ary ho lovain-jafy.

Lin

Partager sur: