Tsy niandry ela ! Natao omaly tolakandro, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) vaovao, Max Fontaine, sy ny teo aloha, Rtoa Vina Marie Orléa.
Nisaotra ny minisitra nodimbiasany sy ny mpiara-miasa aminy ny minisitra Max Fontaine. Efa niara-niasa rahateo izy mianadahy, eo amin’ny tetikasa nosahaniny teto an-toerana sy ny tany ivelany, toy ny Cop 28 farany teo. Nanome toky ny tenany, fa hanohy ny asa efa natao, hanome lanja ireo mpiara-miasa rehetra. Notsipihiny fa: «Nisy koa ny tetikasa vaovao narosony tamin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. Tanjona ny fomba fiasa haingana sady mahazo vokatra azo tsapain-tanana satria nisy ny toromarika napetraky ny Filohan’ny Repoblika». Miantso ny rehetra hifanome Tanana, hatrany amin’ireo vondrona olona ifotony ny minisitra Max Fontaine.
Ho an’ny minisitra teo aloha, Vina Marie-Orléa, zava-dehibe ny fitohizan-draharaha. Nilaza izy fa tsy atoro amin’ny sehatry ny tontolo iainana ny minisitra vaovao. «Omeko anao ny fanilo, matoky aho fa ho tsara tantana ny andraikitra hosahaninao. Miantehitra lalina amin’ny tontolo iainana rahateo i Madagasikara», hoy izy.
Tsiahivina fa nitantana ny tetikasa Bondy, mifototra amin’ ny fambolen-kazo miisa 1 tapitrisa isan-taona ny minisitra Max Fontaine. Nisy ny fiaraha-miasany tamin’ny orinasa fifandraisan-davitra iray nahatrarana ny tanjona.
Njaka A.