Raharaha vary simba: afaka ny ahiahin’ny mponina ao Taolagnaro

Mbola mitana ny sain’ny ankamaroan’ny mponina ny raharaha vary simba, izay voalaza fa haparitaka amina toerana samihafa, toy ny any Taolagnaro. Manoloana izany, nitsirika ireo magazay ao Ranomandry, Cascadeur, SK Distribution ary ny magazay Lovasoa ny sampandraharaham-paritra momba ny Varotra (SRC) ao an-toerana, tamin’ny alakamisy. Voapo­ro­fo fa tsara sy tsy ahitana vary sim­ba tao amin’ireo fitehirizan’ entana ilaina andavanandro.
Afaka, manaraka izay, ny ahiahin’ny mponina fa indrindra ho an’ireo mpandraharaha izay mivelona amin’ny fivarotana sy famatsiam-bary. Etsy ankilany, nilaza ny SRC fa manodidina ny 150 000Ar – 170 000Ar ny vidin’ny iray gony, izany hoe, arakaraka ny kalitao sy ny toerana niavian’ireo vary nafarana. Mitentina 155 000Ar kosa ny iray gony amin’ny vary Pakistan, raha toa ka tafakatra ho 170 000Ar izany ho an’ny vary avy any Inde. Manodidina ny 900Ar-1 000Ar kosa ny kapoakan’ny vary gasy eny an-tsena. Araka izany, afaka misafidy izay vary tiany, misy eny an-tsena, ny mpanjifa ary tsy atahorana ny famatsiana, hoy hatrany ny ekipan’ny SRC.

Henintsoa H.

Partager sur: