Fanindroany amin’izao no handray ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja rugby vehivavy, i Madagasikara. Hotanterahina ny volana mey izany.
Hotanterahina eto Madagasikara, ny 2 – 13 mey ho avy izao ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Can 2024”, taranja rugby à XV, sokajy vehivavy. Manamafy izany ny fambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, teny Andohatapenaka, ny zoma lasa teo.
Miisa efatra ny firenena handray anjara. Anisan’izany i Madagasikara mpampiantrano, i Afrika Atsimo, tompondaka farany, i Kenya ary i Cameroun. Hiatrika ny “Mondial 2025” izay mandrombaka ny amboara. Hanao ny “Mondial 2025” diviziona faharoa kosa izay mahazo ny laharana faharoa.
Fanindroany no handray “Can” i Madagasikara. Ny voalohany, tamin’ny taon-dasa 2023. Nandrombaka ny amboara tamin’izany, ny Springboks Afrika Atsimo. Faharoa i Kenya ary fahatelo, ny XV Makis Ladies.
Fifaninana maro
Ankoatra izay, maro ny fifaninanana iraisam-pirenena miandry ny Makis, lahy sy vavy, amin’ity taona ity. Anisan’izany ny AROI, ho an’ny U16 lehilahy sy ny U18, lahy sy vavy. Fihaonana hotanterahina atsy La Réunion, ny 8 sy ny 9 marsa ho avy izao. Ny lalao Afrikanina hatao any Ghana, ny 8 hatramin’ny 23 marsa 2024.
Raha ho an’ny eto an-toerana indray, hisy ny fihaonana ho an’ny tanora U16, U18, ny U20 sy “Fédérale II” ary ny “Top 12” amin’ity taom-pilalaovana ity. Hikarakara fifanintsanana Rugby à 7 ihany koa ny Malagasy Rugby. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny volana febroary ho avy izao, ny “Top 12”.
Tsiahivina fa nahazo vokatra tsara ny Makis, tamin’ny taon-dasa, raha teto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Nandrombaka ny medaly volamena, na lahy na vavy teo amin’ny rugby lalaovin’olona 7, nandritra ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, natao teto Madagasikara.
Fitia Randria