Seha-pihariana kafe : mitotongana ny vokatra nanomboka ny taona 1990

Tsy anisan’ny fi­re­nena malaza in­tsony i Mada­ga­sikara ankehitriny eo amin’ny fanondranana kafe. Mito­ton­ga­na ny vokatra eto an-toerana efa an-taona ma­ro izay. 1 % ihany ny anjarantsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Amin’ny taom-pamokarana 2023-2024, mihevitra hanatratra 18 000 t ny Ma­lagasy.

Nitotongana ny sehatry ny kafe, indrindra na­nomboka tamin’ny fiafaran’ny taona 1990. Raha ny fantatra, laharana fahatelo amin’ny fambolena mampidi-bola vahiny be indrindra ny kafe talohan’io taona io. Miantoka amin’ny ampahany ny fidiram-bolan’ny firenena malagasy izy io tamin’izany. Antony maro ny nahatonga azany. Fantatra tamin’izany fa 4 000 t ny vokatra kafe robusta teto Madagasikara, ny taona 2015. Mbola nidina 1 700 t izany tamin’ny 2017. Io karazana kafe  robusta  io no tena fanondrana, saingy ratsy kalitao sy nihena ny habetsahany.
Nodinihina ny hanondrotana ny fambolena tamin’ny jiona 2023 teto Antananarivo. Izay notarihin’ny Acram (Agence des cafés robusta d’Afrique et de Madagascar). Fanamby napetraka tamin’izany ny hamerenana an’i Mada­gasikara sy ireo firenena afrikanina mpamokatra sasany ao anatin’ny Acram. Vaha­olana navoitra tamin’izany, ny fanavaozana ny fambolena eto amin’ny Nosy. Anisan’ny firenena 11 voalohany nanangana ny Acram tamin’ny 2007 i Madagasikara. Nofaritana tamin’izany ny hifanohanana ara-teknika. Mba hisian’ny vokatra betsaka sy ny maharitra. Saingy tsy nisy ezaka vita hatramin’izao, indrindra teto an-toerana. Niha antitra hatrany ny fototra kafe, izay nodimbiasana hatramin’ny fanjanahantany. “Tokony hifantohan’i Madagasikara ny fambolena kafe izay mifanaraka amin’ny toetr’andro”, hoy ny mpandinika ny velaran-tany midadasika ary ny vokatra aty Mada­gasikara izay ankatoavin’ny tsena eoropeanina.

Very eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny kafe

Talohan’ny taona 1990, nanan-danja teo amin’ny toe-karena ny kafe. Nampiditra 20 miliara Ar teo amin’ny toekarena malagasy izy io. Teo anelanelan’ny taona 1970 – 1985, nanondrana 70 000 t, kafe robusta ny Malagasy. Nahazo laharana fahatelo taty Afrika, ary laharana faha -19 naneran-tany. Ankehitriny, very eo amin’ny tsena iraisam-pirenena isika. Lasa natao vokatra fanampiny fotsiny sisa ny kafe amin’izao fotoana.
Antitra ny fototra kafe sisa tavela eto Madagasikara. Eo anelanelan’ny 25–40 taona izany, raha ny fantatra. Tsy voahaja intsony ny fotoam-panavaozana. Tsy voakojakoja ihany koa ny efa nambolena. Ratsy ny fomba fitahirizam-bokatra na tsy misy any amin’ny faritra sasany. Ratsy koa ny kalitao ka tsy lafo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena intsony. Ankoatra izay, betsaka ny lalana tapaka any amin’ireo distrika malaza eo amin’ny voly kafe. Mbola malalaka ny tany sady tsara ho an’ny fambolena kafe. Manana traikefa ny Malagasy mpamboly. Afaka mamboly karazany maro sy mitahiry vokatra betsaka. Misy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny minisitera misahana ny Varotra, samy afaka manohana ny sehatry ny kafe. Tokony hatsaraina ny voly, ary tadiavina indray ny toerana misy an’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Izay hiarahana amin’ny mpamatsy vola sy mpamboly ary ny mpandraharaha.

Nanomboka tamin’ny taonjato faha-19

Nisy teto Madagasikara ny kafe, nanomboka tamin’ny taonjato faha-19. Nampidirin’ny mpanjanaka voalohany teto amin’ny Nosy izany. Tsy maintsy mamboly kafe ny isam-batan’olona. Nomena vola hividianana voana kafe ny olona atao hoe andevo. Novolena tao Sainte Marie ny kafe, tamin’ny 1820. Novolena ihany koa ny tany amin’ny morontsiraka Atsinanana. Nanomboka teo, be mpankafy ny kafe madinika, izay vokatra teto Madagasikara. Tamin’ny taona 1922, nampitovian’ny governora Hubert Auguste ny varotra teto Madagasikara. Nosokafan’ny Antenimieran’ny varotra frantsay ny fanadihadiana nizahana ny karazana kafe tsara indrindra. Tafiditra ho anisan’izany ny vokatra kafe avy aty Madagasikara sy firenena afrikanina vitsivitsy. Hitan’ny fanjakana fa nahomby ny fambolena. Namboarina ny lalana 25 000 km tao anatin’ny sivy taona ka namoahana ny vokatra teto Madagasikara. Nampiana ihany koa ny mpamboly avy amin’ny tahirimbolam-panjakana. Izay nanohanana ny vidin’ny kafe teo amin’ny tsena iraisam-pirenena tamin’ny 1931-1932. Nanatombo 32 000 hatramin’ny 49 000 ha ny kafe voavoly.
Marihina fa anisan’ny faritra be mpamboly kafe indrindra ny any amin’ny morontsiraka Atsinanana iray manontolo. Nahitana voly kafe midadasika koa ny afovoantany. Toy ny faritra Itasy, sy ny ilany avaratra andrefana ary ny faritra Diana. Nifaninanana ny karazana kafe robusta sy arabica izay mbola misy hatramin’izao, saingy vitsy sisa ankehitriny.

Nanatontosa : R.Mathieu

Partager sur: