TARATRY ny KANTO

“Concert classique de midi”. Volana vitsy izay no niova ho talata atoandro ity andiam-pampisehoana ity. Anjaran’i Rindra Ramarosandratana indray no hiaka-tsehatra etsy amin’ny IFM Analakely anio, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Mpitendry piano klasika efa manana ny toerany izy. Nivoaka tamin’ireo sekoly ambony mampiofana mozika tany ivelany ary mahafehy tsara ny sanganasan-dry Mozart, Beethoven, Debussy, sns, izy.

“Seho mozika klasika amin’ny piano”. Hotontosaina ao amin’ny FJKM Tranovato Anjanahary Martiora izy ity, ny 26 janoary izao, manomboka amin’ ny 6 ora hariva. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny faha-30 taonan’ny Amboarampeo sy Sampandrofia ao amin’io fiangonana io. Hifarimbona mandritra izany ireo mpitendry efatra mianadahy: Hasinantenaina Tolotra, Rindra, Sitraka ary Manoa.

Mitohy hatrany ny Cinéclub ao amin’ny Anac. Hisy ny fandefasana ilay sarimiaina “Elementaire”, ao amin’ny sampandraharahan’ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto sy ny kolon­tsaina, etsy Ampefiloha, ny alarobia 17 janoary izao, manomboka amin’ny 12 ora atoandro. Sarimiaina navoakan’ny Dysney, izay azon’ny rehetra jerena fa tsy natao ho an’ny ankizy ihany izy ity.

“Am-pitiavana be”. Seho goavana efa be mpiandry izy ity. Hiray sehatra amin’izany i Samoëla, Raboussa ary ry Krutambull. Namoaka ny vaovao omaly ny mpikarakara avy ao amin’ny SR Event. Nambaran’izy ireo fa ao Antsahamanitra no hatao ny seho, saingy tsy mbola namoaka ny daty kosa ny mpikarakara. Toa ny seho “Génération 2000”, natao haha­tsiarovana ireo hira tamin’ny 20 taona lasa tany izy ity.

Partager sur: