Mahomby ny teknika P-dipping nentina tamin’ny famokaram-bary teo Betsimitatatra. Manodidina ny 10% ny tera-bary eny amin’ireo tanimbary nanaovana ny teknika raha toa ka tsy namokatra kosa ny tanimbary nanaovana ny teknika nentim-paharazana, ny herinandro teo. Tsikaritra ihany koa fa miforona manodidina ny 3-3.5sm ny salohy eo amin’ireo tahom-bary nampiharana ny PAPRIZ standard. Araka izany, tombanana ho teraka afaka roa herinandro ny vary. “Teo aloha, mividy masomboly 200 kilao miampy vidin-jezika kelikely eo amin’ny velaran-tany 1 ha ny mpamboly”, hoy ny fanazavan’ny tantsaha iray. Ankehitriny, nihena ho 20 kilao ny masomboly vidiny ary afaka mampitombo ny zezika ilaina mahazatra izy.
Fotoana
Mihena ny isan’ny olona manetsa, amin’ny alalan’ny fampiasana ity teknika ity. Teo aloha, nampiasa olona 40 isan’andro ny mpamboly iray. Ankehitriny, hampihariny ny fanetsana manara-tsipika, manao efamira ny zanany telo. Noho izany, izy dimy mianaka no manao ny fanetsana ao anatin’ ny telo andro. Nambaran’ity tantsaha ity hatrany fa mila manarama olona 10 isan’andro izy hanao ny hava amin’ny tanana eny elanelan’ny foto-bary. Vitany samirery kosa izany amin’izao noho ny fanovany ho efajoro ny fanetsana.
Ankilan’izay, nanao asa fanetsana ny PAPRIZ sy ireo mpianatra eny anivon’ny Oniverisiten’Antananarivo avy ao amin’ny sampana “agronomie”. Nampahafantarina azy ireo, nandritra izany, ny fampiharana ny fomba amin’ny fanaovana ketsa tanora. Nisy ihany koa ny fiofanana nomena ireo mpianatra mahakasika ny fikojakojana sy fitantanana ireo sombin-tany voaketsa.
Henintsoa H.