Vita izy izay! Nahazo minisitra vaovao i Madagasikara. Tafapetraka ny governemanta. Andrasana ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratonga, hoenti-mampandroso ilay firenena. Omaly, efa nihazakazaka ny fifamindram-pahefana. Samy nilomay namita ny azy ireo afaka nanao izany. Mbola hitohy anio kosa ny an’ny hafa. Misy rahateo ny tsy maintsy manao fifamindram-pahefana indroa miantaona. Misy ireo navadika minisitera, misy koa no nomena minisitera roa samy hafa izay natambatra ho iray.
Hivoaka rahampitso raha tsy misy ny sampona ireo sekreteram-panjakana miisa sivy, hanatevin-daharana ny minisitera 27. Efa mivoaka tsimoramora eny ny vaovao mahakasika izay ho voatendry. Nisy ny olona efa tanaty lisitra ny ho minisitra, izay voatsoaka tamin’ny ora farany. Mety ho anjara « mofomamy » manokana ho an’ny UPAR, koa anefa izany. Ny azo antoka, tsy hisy fahagagana tahaka ny governemanta izay ny teo ihany no miverina izy ity.
Manoloana izany, tsy hita tabilao ny ekipan’ny filohan’ny Repoblika tena nitolona sy nihosina nampandany azy teny an-kianja. Efa voafehin’olom-bitsy ny fitondrana ny firenena. Ny fikambanana madinika maro anisa dia tsy nahita solontena. Misy ny faritra tsy nahita minisitra voatendry. Tena tsy misy manana traikefa sy tsy manam-pahaizana tokoa ve izy ireny?
Misy ny efa mampiaka-peo, noho ny fanaovana an-jorombala ny olona tena namono tena kanefa mahafeno fepetra. Tsy hita, iza no homen-tsiny amin’izany. Ady fiady io, ady sisika sy fahaiza-milalao politika. Misy foana ny didin’ny be fahefana sy ny tompom-bola.
Asa, misy ifandraisany amin’izay ve ity governemanta miaraka amin’ny primatiora, andaniny. Ireo sekreteram-panjakana eo ambany fiadidian’ny Repoblika, ankilany. Misy ve ny tsy fifampitokisana!?
r.r