VAOVAO TAMBATRA

Vita ny zoma 12 janoary teo ny fametrahana tetezam-by voanjimaika (pont modulaire) eny amin’ ny lalam-pirenena voalohany (RN1), PK 104+800, eny Antanetimboahangy, kaominina Analavory. Vokatry ny orambe nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro no nampalemy ny fotodrafitrasa, ka nametrahana haingana ity tetezana ity.
Zana-trondro miisa 14 600 sy renin-trondro 53 no nozarain’ny fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) tany amin’ny faritra Vakinankaratra, ny herinandro lasa teo. Naraha-maso sady nahitsy koa ireo mpiompy trondro, indrindra amin’ny lafiny fanomezana sakafo, izay maro ireo tsy tena mahafehy izany araka ny tokony ho izy sy ny fenitra.
Maherin’ny 570 000 ny taratasy karatany voazara teto Madagasikara, ao anatin’ny tetikasa “Casef”. Vehivavy ny 28%-n’ireo nahazo izany, na koa misoratra amin’ny mpivady. Miisa 660 000 ny fangatahana mbola eo am-pikarakarana amin’izao fotoana. Maha­tra­tra 300 000 ny tokantrano nisitraka ny tetikasa, ma­nome olona 1,5 tapitrisa amin’ny Malagasy 28 tapitrisa.

Partager sur: