Tafakatra avy hatrany amin’ny fifanintsanana voalohany amin’ny « Pré-qualification » « Afrobasket 2025 » i Madagasikara, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fiba, omaly 16 janoary 2025. Antony ny fialana an-daharana, tamin’ny ora farany, nataon’ny ekipa tanzaniana, izay mpifanandrina tokana tokony hifandona amin’i Madagasikara. Raha ny fandaharam-potoana, tokony hotanterahina anio ny lalao voalohany eo amin’ny roa tonta saingy izao nofoanana izao, raha toa ka ny 19 janoary kosa ny lalao faharoa. Tsiahivina fa ekipa 3 tany am-boalohany no tao anatin’ny vondrona misy an’i Madagasikara amin’ity « Pré-qualification » ity, nahitana an’i Djibouti sy Tanzania (nivoaka tao amin’ny Zone 5). Niala an-daharana avokoa anefa ireo ekipa 2, ankoatra an’i Madagasikara. Lojika, araka izany, fa hiatrika ny dingana manaraka avy hatrany ny Ankoay, ny 19 hatramin’ny 27 febroary izao, izay hatao any Egypta.
Mi.Raz