Haverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana, indrindra ny eny anivon’ny tontolo ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny minisitra delege misahana ny zandarimaria, ny Jly Andriantsarafara Rakotondrazaka, tetsy amin’ny Toby Philbert Ramarolahy, omaly. Ho tombontsoan’ny vahoaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra, hamafisina ny ady amin’ny dahalo ahafahan’izy ireo mamokatra am-pilaminana. Tompon’ andraikitra voalohany miantoka ny filaminan’ny fiarahamonin’ ny vahoaka sy ny fananany rahateo koa ny zandary. Tetsy ankilany, nanome tsodrano manokana ho an’ny minisitra delege vaovao ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria teo aloha, ny Jly Serge Gellé. Nankasitraka ity farany, noho ny fiaraha-miasa sy toromarika nentina nanatontosa antsakany sy andavany ny asa teo anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa, ny minisitra delege vaovao. Marihina, tontosa omaly ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria teo aloha sy ny minisitra delege voatendry hisolo azy.
Tsiferana R.