“Sarotra ny mieritreritra fa mbola tafaverina amin’ny toerany ny ankamaroan’ireo minisitra”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Misy amin’ireo minisitra vaovao no manana antontan-taratasy hafahafa. Misy amin’ireo kandidà ho filohan’ny Repoblika teo no fantatra fa nandefa antontan-taratasy momba azy mba ho minisitra, nefa tsy nisy voaray na iray aza.
“Na inona na inona ho tsy fitovian-kevitra na ratra mety napetraky ny tantara teo aloha, iaraha-mahalala fa izay no sedran’ny demokrasia”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Miantso ny tsirairay avy mba hiverina amin’ny akany niaviana. Hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena izy, fa tsy hijery ny tombontsoan’ny antoko na ny tsirairay manokana fa hiara-kiatrika…
“Hatraiza ny fetran’ny hoe fanjakana tan-dalàna?”, hoy ny mpikatroky ny antoko Humaniste écologiste, Rakotoarisoa Dimbiniana. Tapitra tamin’ny 10 janoary ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Mbola ara-dalàna ve raha izao vao hanendry PDS hisolo an’ireo ben’ny Tanàna? Misy fahabangana izany mandra-panendrena PDS. Rahoviana no hanaovana ny fifidianana kaominaly?
Tontosa omaly ihany koa ny famindram-pitantanana teo anivon’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny. “Ny fanilo hitondrana avo ny diplomasia Malagasy mihitsy no nampitaina tamiko fa tsy ny fitantanana fotsiny.” Hoy Rasata Rafaravavitafika, ministry ny raharaham-bahiny vaovao. Tao anatin’izany ihany koa no nanambarany ny fahavononany amin’ny fanatanterahana ny anjara andraikiny amin’ny fampandrosoana.