Hisy ny hetsika misokatra ho an’ny rehetra, tanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 20 janoary 2024. Ny mahakasika ny fanenoman’i Madame Zo na Razakaritrimo Zoarinivo no lohahevitra lehibe amin’izany. Raha tsiahivina, fanambin’ny Fondation H sy ny mpitantana azy ny hampivelatra sy hampahafantatra ny haikanton’i Madame Zo, anisan’ny sangany eo amin’ny sehatry ny haikanto fanenomana lamba. Nisy, araka izany, ny fanamboarana katalaogy hamondronana sy hampahafantarana ny haikanton’izany andrarezin’ny fanenomana izany.
Ambohipihaonan’ny mpankafy haikanto marolafy, indrindra ny fanenomana ny eny an-toerana, ny sabotsy izao. Ankoatra ny fampahafantarana io katalaogy io, hisy ny valandresaka sy velakevitra handalinana sy hampahafantarana bebe kokoa ity farany iarahana amin-dRaininoro Hobisoa, hotohizan’ny Prof. Dr. Bonaventure Soh Bejeng Ndikung. Aorian’izay ny an’i Cosmin Costinas.
Hisy ihany koa ny seho ara-javakanto iarahana amin’i Margaux Huille, ny Prof. Dr. Bonaventure Soh Bejeng Ndikun, Hobisoa Raininoro, ny Dr. Bako Rasoarifetra, Hemerson Andrianetrazafy, Na Hassi.
Lin