Jly Raveloharison Herilanto : tsy voakosoka ireo mamy napetrany

17 janoary 2022 – 17 janoary 2024 : feno 2 taona katroka anio ny nahalasanan’ Itompokolahy Général de corps d’armée Raveloharison Herilanto, fantatry ny maro amin’ny hoe «Jly Herilanto».

Manamboninahitra am­bo­ny, nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena izy fony fahavelony. Niavaka tokoa raha ny zava-bitany nandritra ny fotoana nidirany tanteraka tamin’ny fanompoana ny tanindrazana, ka nanekeny an-tsitrapo sy tamim-pitiavana ireo andraikitra ambony nomena azy. Tsy vitsy ireo olona nandray na nanasokajy azy ho «Homme d’Etat». Mendrika ny ho filamatra na koa ho modely ho an’ireo mpitandro ny filaminana ankehitriny Itompokolahy. Fony izy komandin’ny Von­dron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena tao Betroka, nampitolagaga ny mponina tany an-toerana ny nifehezany tanteraka ny resaka halatra omby sy vono olona feno habibiana, izay nampalaza iny distrika iny. Olona tia manao fanamby amin’ny tenany izy, noho ireo fianarana sy lalam-piofanana maro norantoviny, ankoatra ny maha zandary azy. Nanana fitiavan-tanindrazana niredareda tao am-pony raha izy manokana. Am­bentin-teniny fahavelony rahateo, ny hiasa ho an’ny tanindrazana anaty fahitsiana, izay nezahiny nampitaina tamin’ny tanora hanana fomba fijery mibanjina hatrany ny fampandrosoana. Nanana teny fi­lamatra telo Itompokolahy dia ny «Compétence, Coura­ge, In­tégrité» na «Fahaiza- manao, Fahasahiana, Fa­hitsia­­­na» ity farany izay tena nahafantaran’ny maro azy ary nahasarotiny azy tokoa.

Niasa tamim-panetrentena
Efa filohan’ny Komity mitandro ny Fahitsiana na Comité pour la sauvegarde de l’intégrité (CSI) izy, ny taona 2011 ka hatramin’ny 2019. Nilofo ary niasa tamim-panetrentena ho an’ny firenena ny jeneraly Herilanto. Tamin’ny fitondrana nifandimby, anisan’ ireo manamboninahitra voatendry hisahana sy hitantana minisitera ny tenany amin’ny maha teknisiana feno azy. Efa nitantana ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny minisite­ran’ny ny Toekarena sy ny teti-pivoarana, ny minisiteran’ ny Angovo. Noho ny fahaizana manokana nananany sy ny haitarika tamin’ireo departemanta/minisitera niandraiketany ireo, tsy nisalasala ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena nanohana ara-bola ireo tetikasa na fandaharanasa niarahana niasa tamin’ny tany ivelany. Na teo aza ireo an­draikitra mankadiry maro samihafa nosahaniny, nitandrina ny lafim-piainana maha kristiana azy ihany koa ny Jly Herilanto. Olona tia mizara, be fitiavana, manampy ny hafa raha izy manokana.

Tsiferana R.

Partager sur: