MDN Stadium Betongolo : kianja “synthétique” ho an’ny miaramila

Taorian’ny RM 1 Analakely, nahazo kianja “synthétique” ihany koa ny miaramila eny Betongolo. MDN Stadium no anarana isaloran’izany fotodrafitrasa izany, izay fiaraha-miasa tamin’ny orinasa PK, tantanan’i Harimanitra Andriamparany. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo ny kianja, natokana ho an’ny baolina kitra lalaovin’olona 7. Afaka ampiasaina isan’andro na amin’ny andro fety aza ny MDN Stadium, manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora alina. Mampiavaka azy ity ny fisian’ny kianja filalaovana basikety ho an’olona 3. Misy jiro manazava ao anatin’ny kianja ho an’ireo tonga hilalao amin’ny andro alina. Ankoatra ny kianja, ahitana toeram-pivarotana fitaovana ara-panatanjahantena sy fisakafoana ao anatiny. Toy ny kianja rehetra, misy ny sarany natao ho zakan’ny rehetra ny fampiasana ny MDN Stadium, ka notsiahivin’ny tomponandraikitra fa hoentina hanampiana ny ekipan’ny Cosfa ny vola tombony azo, amin’izany.

Torcelin

Partager sur: