Minisitra Andriamananoro Augustin : “Hapetratsika ilay Madagasikara ho an’ny Malagasy”

Tontosa omaly ny fifamindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Namaritra ny vinany ny minisitra vaovao, Andriamananoro Augustin.

“Isaorako ny minisitra teo aloha, Rakotondrazafy Lalatiana, sy ny ekipany noho ny asa maro vitany. Inoako fa ho maro koa ny mbola hotontosainao manomboka eto”. Ampahan’ny lahatenin’ny minisitra Rahanta­nirina Vavitsara Gabriella, izay nisahana ny maha minisitra mpisolo toerana tao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Tontosa omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fifamindram-pahefana ara-demokratika teo aminy, sy ny minisitra vaovao, Andriamananoro Au­gustin.
“Nahavita be ny teo aloha, ka inoana koa fa hahavita misimisy kokoa noho ny efa natomboka isika. Isika rehetra hifanome tanana, hanatanteraka ireo vinam-piarahamonina napetraky ny Filoha. Ny fametrahana ny soatoavina sy ny fahendrena malagasy, ny ady amin’ny kolikoly, sns, mba hahafahantsika mirehareha hoe madio isika miditra eto, madio isika miala eto. Ha­petratsika amin’izay izany Madagasikara ho an’ny Malagasy izany. Na inona na inona maha vaventy ny asa miandry, ho maivana izany satria hifanome tanana, hamerina ny fifankatiavana ato amin’ny toeram-piasana ka ho tsara fanahy daholo isika mpiara-miasa”. Io kosa ny vontoatin’ny lahateny voalohany nataon’ny minisitra Andriamananoro Augustin, tamin’ireo mpiara-miasa ami­ny ao amin’ny minisitera.
Marobe ireo olona tonga nanotrona ny fifamindram-pahefana, nahitana loholona, solombavambahoaka, mpanao politika maro, mpitarika fikambanana isan-tsokajiny, raiamandreny ara-drazana, mpanakanto, mpanao gazety, sns.
Mbola hanome ny fandaharanasany aoriany kely ny minisitra, rehefa avy mihaona amin’ireo mpiasan’ny minisitera. Hitety ireo fitaleavana izy, manomboka ny zoma izao.

Zo ny Aina

Partager sur: