Minisitra Olivier Jean Baptiste : « Hampiroboroboina ny fampiasana entona fandrehitra »

Natao omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) teo aloha, Andriamanampisoa Soloniaina, sy ny mandimby azy, Olivier Jean Baptiste. Hisy tetikasa vaovao ho entiny.

Notaterin’ny minisitra teo aloha, Andria­mana­m­pisoa Solo­niaina, ny asa vita sy ny eo andalam-panatanterahana nandritra ny 11 volana nitantanany ity minisitera ity. Notsipihin’ny minisitra vaovao, Olivier Jean Baptiste, fa misy ny tetikasa vaovao (GPL) hoentiny, ha­nampy ireo efa misy. Vo­akasik’izany ny hampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina, toy ny entona fandrehitra (gaz méthane). Azo atao tsara ny mampitombo avo 10 na 20 heny ny fampiasan’ny isan-tokatrano azy. Satria vao 14 000 taonina isan-taona monja ny fanjifan’ny Malagasy azy, manome 0,4 kilao isan’olona, nefa efa 20 kilao isan’olona ny any Côte d’Ivoire.
Anisan’ny notanisain’ny minisitra teo aloha, Andria­ma­nampisoa Soloniaina, ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny ma­soandro (PS) manerana ny distrika miisa 78. Ny fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra vaovao mandeha amin’ny menaka mavesatra, mamokatra 105 MW eny Ambohimanambola, izay efa tonga any Toamasina ny milina hampandehanana azy.

Vokatra azo tsapain-tanana
Eo koa ny tetikasa « PRIRTEM 1 », famatsiana herinaratra mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo, mirefy 267 km, hitondra tanjaka 220 KV. Manampy ireo ny fampidirana herinaratra eny ambanivohitra, « tetikasa Ader » sy ireo toeram-pitsaboana CSB II miisa 400. Ny fanazavana ny arabe sy ny elakela-trano, ny fizarana kojakojana herinaratra avy amin’ny masoandro « kits solaires » manerana ny Nosy, sns. Nasiany teny koa ny lafiny lalàna, toy ny Codelec, ny Arelec ary ny Ader.
Hanatanterahana ireo, nomarihin’ny minisitra Olivier Jean Baptiste, fa « miandrandra vokatra azo tsapain-tanana ireo lehibeko nanendry ahy sy ny vahoaka manontolo ». Tsiahivina fa tale jeneralin’ny Ofisy malagasy momba ny akoranafo (OMH) ny tenany nialoha ny nanendrena azy ho minisitra izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: