Nidoboka am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ilay mpamily taxi-be nivadika ho nanao asan-jiolahy tamina mpandeha iray teny Andranomena, ny alahady teo.
Mbola nangingina ny andro, sendra irery tanaty fiara ny renim-pianakaviana iray. Teo no nararaotin’ity mpamily sy ny namany norobaina. Lasan’izy ireo ny vola 165 000Ar, niampy ny entana haterina any amin’ny mpanjifa an’ilay lasibatra.
Nametraka fitarainana teny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina ity renim-pianakaviana ity. Nanao filazana fampahafantarana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook koa izy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy taorian’izay. Voamarina tokoa ny fisian’ny fandikan-dalàna nataon’ilay mpamily taxi-be.
Niroso tamin’ny fisamborana ilay mpamily ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Tsikaritra tato ho ato fa saika manao hadalana avokoa ny ankamaroan’ireo mpamily taxi-be sy ny mpanampy azy. Anisan’izany ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanendaka miditra ao anaty fiara fitateram-bahoaka. Maro ny mpandeha lasibatra. Manginy fotsiny ny familafilana ny mpandeha, ny fihodinana tapa-dalana, fanariana mpandeha. Jeren’ny tomponandraikitra fotsiny izany. Amin’ny maraina, mihogahoga miantso mpandeha, nefa rehefa hariva tsy sahy miantso mihitsy ny resevera rehefa mahafeno « versement ».
J.C