Rakikira vaovao : anaty fandraisam-peo i Shyn

« Human ». Hira navoakan’i Shyn tany amin’ny volana novambra tany, izay miresaka ny fitiavan’ilay Zanahary ny olombelona, nomeny hanjaka tamin’ny tany sy ny tontolony kanefa tsy nanaja izany… Anatin’ny laza tanteraka ity hira ity amin’izao fotoana izao. Andran-tsira ho an’ny rakikira vaovao izay ketrehan’i Shyn sy ny ekipany, kasainy hivoaka afaka volana vitsivitsy izy io.
Hira 15 eo no handrafitra ny rakikira, ka rehefa tena hivoaka vao ho fantatra raha ho anisany ny “Human” na tsia. Na izany aza, fantatra fa hivoaka amin’ny endriny kapila toa ny mahazatra taloha, ankoatra ireo “plateformes” efa fanjifana hira, manomboka mahazatra ihany koa izany. Hanaraka tsy ho ela ny rakitsarin’ireo hira tsirairay, amin’ny fenitra sy kalitao avo, araka ny nahafantarana an’i Shyn hatramin’izany.

Zo ny Aina

Partager sur: