Anisan’ny hanamarika ny eny amin’ny IFM Analakely, anio, ny fampahafantarana ny kilalao « Tsimok’Arret ». Kilalao noforonina Malagasy zato isan-jato izy ity. Ankoatra ny maha kilalao azy, mampahafantatra zavatra maro ihany koa izy io. Anisan’izany ny fahadiovana sy ny fikajiana ny fahasalamana.
Hisy ny valandresaka iarahana amin-dRajaonarivelo Raymond, izay anisan’ny mpamakilain’ny sinema malagasy. Eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny marainan’ny sabotsy 20 janoary 2024, no hanatanterahina izany. Anisan’ny ho re mandritra izany ny niainana ny nidiran’ny sinema teto Madagasikara.
« S’Art Mihetsika » etsy amin’ny IKM Antsahavola. Hotontosaina ny sabotsy 20 janoary izao indray ny fijerena arahina famakafakana sarimihetsika, fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana. Iarahana amin’ilay mpamakafaka sarimihetsika, i Aina Randrianatoandro, ka hanasana ireo mpisehatra sy mpankafy rehetra. Ilay tantara « Le cochon de Gaza » no hofakafakaina mandritra izany.
Hitohy anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fampiofanana ireo tanora nilatsaka an-tsitrapo ho mpanabe ny Kanto ao anatin’ny tetikasa « Kanto Manabe ». Izy ireto no hizara sy hampianatra sary sy ny manodidina izany, an’ireo ankizy eny anivon’ny fiarahamonina sy ny sekoly samihafa rehefa tontosa ny tetikasa « Kanto Manabe ».