Dimy volana aty aoriana, mitohy indray ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ity fifanintsanana ity ny sabotsy ho avy izao. Klioba miisa valo ao amin’ny PFL ireo hifanintsana.
Notanterahina omaly, teny Isoraka, biraon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny fisarihana « tirage au sort » ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Telma Coupe 2023 ». Anisan’ny fihaonana tsara navoakan’ity antsapaka ity, ny fifanandrinan’ny Fosa Junior FC, Boeny sy ny CFFA, Andoharanofotsy. Lalao izay hatao ny 20 janoary ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus by-pass.
Mbola manala vela amin’ny Fosa Junior FC ny ekipan’Andoharanofotsy amin’ity fihaonana ity. Lavon’ny ekipan’i Boeny tamin’ny isa 3 no ho 1 ny CFFA, nandritra ny lalao fihantsiana natao ny 2022, teny amin’ny Elgeco Plus Stadium ihany. Tsara ny mampahafantatra fa efa nahazo ny amboaran’i Madagasikara avy ireto ekipa roa tonta ireto. Ny taona 2018, 2019 ny an’ny Fosa Jr, raha toa ka ny 2021 ny nandrombahan’ny CFFA izany.
Ankoatra izay, hanala vela amin’ny Disciples FC, Vakinankaratra ny Ajesaia, Bongolava, ny alahady ho avy izao. Tsiahivina fa nomontsanin’ny Disciples FC tamin’ny isa 5 no ho 2 ny Ajesaia, tamin’ny manasa-dalan’ny fifaninanana « Grand Tournoi d’Antananarivo 2024 ». Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina ny 24 janoary ho avy izao ny manasa-dalan’ny « Telma Coupe » ary ny 28 janoary ny famaranana.
Fitia Randria
Fandaharan-dalaon’ ny ampahefa-dalana :
Kianja Elgeco Plus :
Sabotsy 20 janoary 2024 :
11 ora : AS Fanalamanga Toamasina vs ASA Diana
2 ora : Fosa Jr Boeny vs CFFA Andoharanofotsy
Alahady 21 janoaray 2024 :
11 ora : Disciple FC Vakinankaratra vs Ajesaia Bongolava
2 ora : Elgeco Plus Analamanga vs Mama FC