Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny alatsinainy 15 janoary teo, fa mikatsaka vokatra hita maso ny tenany… Te hanatona akaiky kokoa hijery ny olana sy hikaroka vahaolana eny an-kianja. Nandritra ny fiarahabana azy tafaverina hitazona ity minisitera ity indray no nilazany an’ireo.
Nankatoavina, omaly, ny boky torolalana mirakitra ny fampiasam-bola amin’ny famokarana ny atirano eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fiompiana trondro an-dranomamy na an-dranomasina. Namolavola azy ny minisiteran’ny Jono (MPEB), ny EDBM ary ny FAO, niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka maro.
Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany momba ny fanaovana mofo (Coupe du Monde de la Boulangerie) 2024, hatao ao Paris, ny 21-24 janoary, ireo Malagasy efatra. Hanasongadina ny fahaiza-manaony sy ny mampiavaka azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireto solontenan’i Madagasikara ireto.
Vehivavy malagasy iray hafa koa mandray anjara amin’ny fifaninana amin’ny “Greatest Baker”, any Etazonia. Fifaninanana goavana amin’ny resaka mofomamy izay ahazoana loka hatrany amin’ny 10 000 dolara sy ahafahana mamoaka ny asa tanana ao anatin’ny gazety boky iray malaza any an-toerana “Bake from Scratch”.