Nahitam-piakarana 2000 – 3000 Ar mahery isan-kilao ny vidin’ny henan’omby eny anivon’ny tsena, raha ny fanazan’ny mpivarotra. Manoloana izany, nihena ny hena lafon’ny mpivarotra ao anatin’ ny iray andro. Noho ny fahavitsian’ ny mpanjifa sy ny henan’omby tonga eto Antananarivo.
Manodidina ny 19 000 hatramin’ny 22 000 Ar eo ny vidin’ny henan’omby iray kilao eny anivon’ny tsena ankehitriny, raha ny fanadihadiana natao. Mitondra ny vidiny ihany koa ny kalitaon’ny hena. “Efa hatrany am-potony, any amin’ny toeram-pamonoana omby mihitsy no nahitana fiakarana ny vidin’ny hena”, hoy Randrianavalona Zo, mpivarotra nanontaniana. Nahitam-pihenana, araka izany, ny hena eny an-tsena ary vetivety dia lany ny entana eny amin’ireo mpivaro-kena sasany eto Antananarivo, raha ny zava-misy. Mahalafo ilan’omby iray mahery isan’andro ny mpivarotra iray tany aloha sy nandritra ny fety. Nihena hatramin’ny 30-40 kg isan’andro kosa izany ankehitriny. Noho ny fahavitsian’ny mpanjifa sy ny vokatra amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny mpivarotra. Mbola misy ambiny aza ny entana, tsy lany, indraindray. Manodidina ny 5 hatramin’ny 6 kg eo izany.
Noho ny vanim-potoana sy vaninandro
“Lafin-javatra maro no antony mahatonga ny fiakaran’ny vidin’ny hena amin’izao fotoana izao”, hoy ny Tale jeneralin’ny fiompiana, Andriamahatola Tsiry Lezoma. Antony, izay mifandraika amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra sy ny toetr’andro misy amin’izao fotoana izao. Voalohany, ny fahavitsian’ny omby vonoina tonga eto Antananarivo. Mampiato ny fandefasana omby avokoa ny ankamaroan’ny mpandraharaha manerana ny faritra eto amin’ny Nosy. Eo koa ny fitomboan’ny fotoana ampiasan’ny tantsaha ny omby eo amin’ny sehatrasam-pambolena, ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra tahaka izao. Manampy betsaka ny tantsaha mantsy ny omby mandritra io fotoana io. Entin’izy ireo hikarakarana sy hiasana ny tany fambolena ary hitaterana ny vokatra hamidy izany amin’ny ankapobeny. Ankoatra izay, ny fiakaran’ny rano noho ny fisian’ny rotsakorana any ambanivohitra. Tavela any amin’ny faritra sy toerana tsy tongan’ny fiara avokoa, noho izany, ireo omby.
“Misy fiantraikany goavana eo amin’ny vidin-kena ankehitriny ny fahavitsian’ny henan’omby amidy”, hoy Randriamanana Landry, mpivaro-kena iray hafa nanontaniana. Nilaza izy fa tsy maharaka ny tinady ny tolotra misy ankehitriny. Manampy izany ihany koa, ny fihenan’ny fahefa-mividin’ny mpanjifa amin’ny ankapobeny. Nohamafisiny hatrany fa nahitam-pihenana izany taorian’ny fetin’ny voalohan’ny taona lasa teo ka hatramin’izao. Tsy maintsy manahena ny entana amidy, araka izany, ny mpivarotra mba tsy ho matiantoka sy ho simba ny hena.
16 000 Ar ny iray kilao any amin’ny toeram-pamonoan’ omby
14 000 Ar ny kilao angalan’ny mpivarotra ny vidin-kenan’omby any amin’ny toeram-pamonoan’omby eto an-drenivohitra teo aloha. Tafakatra hatramin’ny 16 000 Ar mahery kosa izany tato ho ato. “Anisan’ny antony mampiakatra ny vidin-kena eny an-tsena amin’izao fotoana izao io zava-misy io”, hoy hatrany ireo mpivarotra. Nanomboka niakatra 1 000 hatramin’ny 2000 Ar isan-kilao ny hena ary tsy nitsaha-miakatra hatramin’izao.
Tsy ahina ho lany tamingana ny omby
“Tsy atahorana ho lany tamimgana ny omby eto Madagasikara na eo aza ny fiakaran’ny vidin’ny henan’omby ankehitriny”, hoy hatrany ny Tale jeneralin’ny fiompiana, Andriamahatola Tsiry Lezoma. Nodisoany ny fiheveran’ny olona sasany eto Madagasikara fa efa mitady ho lany tamingana ny omby eto an-toerana ka mahatonga ny fiakaran’ny vidin-kena. Nahitam-piakarana hatrany ny isan’ny omby rehefa aorian’ny fanisana nataon’izy ireo, nanomboka tamin’ ny 2019. Anisan’ny nahatongavana amin’izany, ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana sy ny teknisianina misehatra eo amin’ny fampiroboroboana ny lafin’ny fiompiana. Nambarany hatrany fa tsy manana fahefana hanahena ny vidin’ny vokatra raha miverina araka ny tokony ho izy ny vidin-kena, ny minisitera misahana ny Fiompiana. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana hatrany izy ireo. Mifanome tanana mba hahafahana mitady vahaolana sy hitsinjovana ny mpanjifa rehetra manerana ny Nosy.
Marihina fa avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, avaratra ary andrefana avokoa ny 70 % amin’ireo omby vonoina eto Antananarivo.
Nanatontosa : Mino