Na dia nofoanana aza ny fifaninanana, Pré-qualification «Afrobasket 2025″, nokasaina ho natao teto Madagasikara, mitohy hatrany ny fanomanan-tenan’ny Ankoay, amin’ny fiatrehana ny tohin’ny fifaninanana. Hisy ny lalao hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, anio sy rahampitso zoma, samy amin’ny 4 ora hariva. Ny ekipa
“Reste du monde”, na ireo mpilalao notsongaina ao amin’ ny N1A, no hifanandrina amin’ ny ekipam-pirenena malagasy, Ankoay, mandritra izany. Araka ny fandaharam-potoana napetraky ny federasiona malagasin’ny basikety, hitohy hatramin’ny rahampitso 19 janoary ny fampivondronana ny Ankoay, eny Vontovorona. Aorian’izay, ny 12 febroary indray vao miverina mivondrona ireo mpilalao. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Egypte, Côté d’Ivoire ary Centrafrique no hifanandrina amin’i Madagasikara, ny 19 hatramin’ny 27 febroary izao, any Egypte, dingana voalohany amin’ny «Afrobasket 2025». Ny 19 febroary no hiala eto Madagasikara ny delegasiona malagasy.
Tsy hiatrika ny fampivondronana faharoa, hatao ny 12 febroary intsony kosa ireo “expatriés” fa avy hatrany dia any Egypte no miandry ireo namany, araka ny fanazavan’ ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety hatrany.
Mi.Raz