Ambohibao-Ambohidratrimo: loham-behivavy tao anaty dabam-pako

Zava-doza! Nisy nanary tao anaty dabam-pako, teny Morondava Antehiroka, ny loham-behivavy iray. Nahitana karandohan’olona hafa koa teny Soamananety. Samy etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo.

Loham-behivavy iray hita tao anaty daba fanariam-pako, tao amin’ny fokontany Morondava, kaominina Ambohibao Antehiroka, oma­ly. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny fisian-javatra hafahafa. Rehefa nojeren’izy ireo, lohan’olona efa simba io nifangaro tamin’ny fako io. Tombanan’ny mpitsabo nanao ny fizahana teny an-toerana fa maty novonoina ny talata 16 janoary teo io vehivavy fotsy fihodirana, manodidina ny 40 taona, io. Notapahina niala tamin’ny tendany ny lohany ka izao narian’ireo tsivalahara izao. Tsiahivina, vao afakomaly no nahitan’ny fokonolona fatim-behivavy tsy nisy loha, teny amin’ny fokontany Fara­vohitra Mangarivotra. Narian’ ireo tsy mataho-tody tao anaty gony io vehivavy io. Mifatotra ny tongony sy ny tanany, nofonosina lamba manify niaraka tamin’ny selofanina. Nasitrika tao anaty gony, nofatorana tao anaty kidoro «éponge». Na­tsipy teo amin’ny lalana pavé akaikin’ny tamboho rarivato ny razana. Mpitsindroka fako vao maraina no nahita ilay fonosana. Nalaim-panahy nanokatra ny gony izy ireo. Hataraina ny azy ireo raha nahita tongotr’olona tao anatiny. Misokatra ny fanadihadiana lalina ataon’ny polisy misahana ny heloka bevava manoloana ireo tranga roa niseho tao anatin’ny roa andro monja ireo. Ahina ho misy hifandraisany amin’ilay vatam-behivavy teny Faravo­hitra rahateo io loha hita teny Morondava Antehiroka io.

Karandoha…
Ankoatra io, karandohan’olona iray hafa koa hita tao anaty tany mangahazo tao Ampanobe, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Nampandre ny tomponandraikitry ny tanàna avy hatrany ireo nanatri-maso. Nanao ny fizahana io trangan-javatra io, araka izany, ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII ao an-toerana sy ny mpitandro filaminana. Tsy nisy volo intsony io lohan’olona io. Efa tsy nipetaka teo aminy intsony koa ny valanorano ambany. Nosavaina avokoa saingy tsy nahitana toe-javatra nifandraika tamin’ny fahitana io lohan’ olona io.
Natolotra ny fokonolona ary nalevin’ireto farany ilay loha taorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: