Lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Mahitsy, omaly, ny roa tamin’ireo efa-dahy nangalatra taolam-paty. Efa-dahy niloloha gony no nifanehatra tamin’ireo zandary mpanao fisafoana tao Ambohidranomanga, kaominina Antanetibe Mahazaza. Nirifitra nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa nanaraka ny zandary. Nitsoaka niaraka tamin’ny gonibe ireto farany saingy tsy namelan’ny zandary fa tsy maintsy nojerena ireto entambe nololohavina. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ ny lalana mizotra mihazo ny monastera. Nanapoaka basy ny iray tamin’ireo jiolahy. Nifamaliana ny tifitra ka lavo tao anatin’ izany ny jiolahy roa. Tafaporitsaka kosa ireo jiolahy roa hafa, ka eo am-pikarohana azy ireo ny zandary hatramin’ny halina. Tratra teny amin’ireo jiolahy voatifitra ny taolam-paty roa gony. Hatramin’izao aloha tsy fantatra mazava ny toerana nakana ireto taolan-dava marobe ireto. Tsy mbola nisy fampitam-baovao rahateo momba ny fahavakisana fasana teny amin’ny manodidina an’i Mahitsy sy Antanetibe Mahazaza. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny famotorana ity raharaha ity.
J.C