Mahazo vahana indray, tato ho ato, ny fitsaram-bahoaka ao amin’ny faritra Atsinanana. Ny alatsinainy 15 janoary 2024 teo, telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’iny lalam-pirenena faha-11A iny. Omaly, jiolahy iray indray no niharan’izany tao Tanambao Verrerie Toamasina, raha roa hafa naratra mafy tao Ankirihiry. Avotra izy roa lahy ireto satria haingana ny fahatongavan’ny polisin’ny Fip. Efatra ireo jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka tao anatin’ ny herinandro, tany an-toerana. Niara-nisotro tamina tovolahy iray 22 taona tao anaty trano fisotroana ny raim-pianakaviana 60 taona, izay samy mpiara-monina ao Tanambao Verrerie Toamasina ihany. Sendra nivoaka nivalan-drano ilay tovolahy ka nanararaotra nandraraka zavatra tao anaty veran’ilay tovolahy ilay rangahy 60 taona. Tsikaritr’ilay tovolahy anefa izany ka nanontany izy hoe: fa hataonao inona ny verako? Nilaza anefa ilay rangahy fa hoe nakisany fotsiny. Nony tonga tany an-trano anefa, nahatsapa fa tsy salama ilay tovolahy ka nitantara tamin’ny fianakaviany. Namoy ny ainy ilay tovolahy taorian’i zay. Niezaka nikaroka ilay rangahy ny fianakaviany. Tratran’ ny olona ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nilaza ity rangahy ity tamin’ ireo olona fa efa valo ny olona matiny tamin’ny alalan’ny fanapoizinana zava-pisotro anaty trano fisotroana toy izao. Vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ny fokonolona izany. Vokany, maty tsy tra-drano koa ilay nahavanon-doza.
Sajo/J.C