Filazana miloko mavo amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ho an’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Voakasik’izany koa ny distrikan’Ambilobe, Ambanja, Nosy Be, Miandrivazo, Mahabo ary Belo sur Tsiribihina. Io ny fampitandremana nomen’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, omaly.
Filazana miloko mena, amin’ny habetsahan’ny rotsakorana hatrany, ho an’ny faritra Boeny, Sofia ary Betsiboka.
Mbola mitohy ny rotsakorana, izay mety hahatratra hatrany amin’ny 50 ka hatramin’ny 100mm ao anatin’ny 24 ora, hatramin’ny anio. Vokatr’ilay rahom-baratra ao avaratra andrefan’ny Nosy no mahatonga izany. Hahazo vahana hatrany koa ny talio ao anatin’ny roa andro.
Mila miomana amin’ny fiakaran’ny renirano sy ny mety ho fahapotehana fotodrafitrasa, vokatr’izany ireo faritra voalaza ireo. Toraka izany ny fihotsahan’ny tany.
Hisamboaravoara ihany koa ny ranomasina ka filazana miloko mena ho an’ny morontsirak’i Boeny, Sofia ary Diana. Mety hahatratra hatrany amin’ny 3m ny haavon’ny onjan-dranomasina.
Tatiana A