Nisy ny fanentanana momba ny lalao «Tsimok’arret», notanterahina teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, omaly. Ny ekipan’ny Alt’Istik no niandraikitra izany. Ny «Tsimok’arret» dia karazana kilalao natao sy noforonina ho an’ny ankizy mihoatra ny enina taona. Ankoatra ny maha kilalao azy, mampahafantatra ny ankizy mahakasika ny aretina azo avy amin’ny fahasimban’ny rano ihany koa izy. Maro ny ankizy sy ireo ray aman-dreny nitondra ny zanany teny an-toerana, ankoatra ny efa mpikambana eo anivon’ny IFM.
Kilalao iraisana ny ‘Tsimok’arret”. Azo lazaina ho kilalao feno, noho izy mikolo tanteraka ny saina. Sady mampiasa saina mantsy ny ankizy, eo am-pilalaovana azy no mahazo fahalalana. Mampahafantatra ny antony mahasimba ny rano izy, eo ihany koa ny aretina vokatr’izany. Mampahafantatra sy mitondra fanentanana hanarenana izany fahasimbana izany ihany koa ity kilalao ity. “Ny kilalao sahala amin’izao no tokony hampiroboroboana eto amintsika ho tombontsoan’ny rehetra…”, hoy i Rachelle, renim-pianakaviana, nampilalao ny zanany, teny an-toerana.
Lin