Fitsimbinana ny fahasalamana ho an’ny rehetra ny CSU. Anisan’ny vahaolana ialana amin’ny tsy fananam-bola tampoka raha sendra marary ny fidirana anaty rafitra fiantohana ara-pahasalamana.
Nampahafantatra bebe kokoa momba ny fahafahana misitraka fahasalamana ara-kalitao, izay ilaina amin’ny fotoana rehetra sy tsy misy fahasahiranana ara-bola (CSU), ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Manentana ny rehetra, araka izany, ny fitondram-panjakana hiditra ho mpikambana amin’ny rafi-piantohana ara-pahasalamana izay akaiky azy (mutuelle de santé, assurance santé, fikambanana maro samihafa…) mba tsy hiditra fahantrana lalina rehefa marary. Tokony hazoto hanatona tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana hisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana misy ny mponina.
Ireo olona niditra ho mpikambana anatin’ny « mutuelle de santé, assurance… » ary efa nandrotsaka latsakemboka mialoha no misitraka izany mba hampihena ny vola mivoaka rehefa marary.
Rehefa tonga eny amin’ny toeram-pitsaboana ny marary, avy hatrany dia voaray fa tsy mbola hivezivezy hitady vola na hila vonjy amin’ny havany hividianana fanafody na hanaovana fizaham-pahasalamana.
Natao ho an’ny rehetra
Na ireo an-tanàn-dehibe, na ireo any ambanivohitra dia entanina amin’ny fidirana anaty fiantohana ara-pahasalamana, ialana amin’ny olana mety hitranga.
Apetraky ny fitondram-panjakana ny rafitra iantohana ny saran’ny fitsaboana ho an’ilay marary avy amin’ny hetra aloany na avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ahafahan’ny fanjakana manao izany.
Anisan’izany ny “Fond d’urgence”, izay fandraisana an-tanana voalohany ny vonjy taitra sy ireo tolotra ara-pahasalamana efa sitrahan’ny vahoaka manontolo hita eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB), toy ny vaksiny, fitsaboana ny tazomoka, ny tiberkilaozy, ny fandrindrana fiainam-pianakaviana…
Tatiana A